16 juin 2011

Teny malagasy hoy ianao ?

Somary sadaikatra ihany ny tenako namaky lahatsoratra iray nosoratako fahiny. Tamin'ny teny malagasy moa no nanehoako ny hevitro tamin'izany. Rehefa iny aho namaky ilay taratasy dia tsy azoko ny ankamaroan'ny zavatra voalaza tao na izaho ihany ary no nanoratra izany. Tsy ny voambolana no saro-keverina, fa ny tsipelina no tsy nisy nandeha tamin'ny laoniny. Malagasy ray, malagasy reny ary nianatra teto Madagasikara anefa io olona nanoratra io (izaho io). Atao mahagaga ve izany ? Raha ny tokony ho izy, ho an'ny olona iray mahafehy mamaky teny sy manoratra dia ny tenin-drazana no tokony ho voafehy voalohany. Tsy izay anefa no zava-misy raha mandinika isika.

Na izaho tenako mba nieritreritra ho anisan'ireo mba mahay manoratra ihany aza toa ketraka rehefa nandinika fa mahatsapa fahasahiranana manoratra teny malagasy noho ny manoratra tenim-pirenena hafa. Na dia atao aza hoe tsy mifanalavitra ny fahaiza-manoratra ny tenim-pirenena sy ny teny vahiny, dia mahavantana ahy kokoa ny maneho ny hevitro amin'ny tenim-pirenen'ny hafa. Henatra no mianjady amintsika rehetra izay iharan'izany toe-javatra izany. Bebe kokoa ny henatra ho an'ireo izay mieritreritra fa fanambaniana tena ny maneho hevitra an-tsoratra amin'ny tenin-drazany. Raha izao no nisy ny seho nahafahan'ny Malagasy tsirairay nahafehy teny vahiny hafa dia efa ela no lany tamingana ireo olona toa an-dry Rado, Dox, E. D. Andriamalala, sns... Ankehitriny aza moa, ankoatra ireo mpanoratra vitsivitsy ao amin'ny faribolana Sandratra, dia tsy mahalala mpanoratra amin'ny teny malagasy aho.

Ho antsika rehetra mpikirakira sy mpapiasa aterineto, mba diniho kely anie ny tahan'ireo mpampiasa teny gasy e ? I Gazety Avy Lavitra sy Jentilisa ihany izao no fantatro hoe mpitoraka bilaogy mampita ny heviny amin'ny tenim-pirenentsika. Vitsy loatra izany. Ary mino marina aho fa noho izy voarakitra amin'ny teny malagasy dia misy ireo tsy manopy maso ao amin'ireo lahatsoratra ao akory. Nahoana hoy ianareo no misy izany ? Betsaka loatra no mahatsapa fasahiranana mamaky teny malagasy. Raha ny gazety an-tsoratra no resahina, dia misy ireo mivoaka amin'ny teny malagasy ranoray, fa toa be ireo tsipelina diso ao. Tokony tsy hisy anefa izany tsipelina diso izany satria ireny matoan-dahatsoratra ireny dia tsy mampita vaovao fotsiny ihany fa mizara fahaiza-manoratra ihany koa. 

Manomboka izao dia ezahiko hanoratana teny malagasy ny eto amin'ny bilaogiko. Hotazomina ny amin'ny teny vahiny satria maro ireo mpamaky avy any andafin'ny riaka no maneho fankasitrahana amin'izay efa voasoratro. Hovelomiko eto tsindraindray ny teny malagasy satria io no nahabotrabotra sy nahaiza-nifandray voalohany tamin'ny olona nifanila sy nifanerasera tamiko. Ezaka moa ka ezaka ihany ka eo am-pampiharana no mahazo traikefa. Araka izany, ialako tsiny aminareo ny teny diso tsy mba kabary. Hiezaka aho hizara ny fahaizana ara-teknôlôjika amin'ny teny malagasy na dia fantatra ary zany fa sarotra. Ento ny soso-kevitra hampivoitra ny tenim-pirenentsika ka ahazoany hasina indray ka hitarika ny olona hiombona aminy indray.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire