5 déc. 2014

Homosexuels eto Madagasikara : sahala sy mitovy zo amin'ny rehetra !

Teo am-pamakiana sy teo am-piresahana tao amin'ny Facebook no nahatsapako fa mbola maro dia maro ny Malagasy tsy manaiky ny fisian'ny homosexualité (miala tsiny indrindra fa mbola tsy hitako ny dikan-teny malagasy handikako azy). Ekeko hoe efa betsaka ny miezaka eto an-tanàn-dehibe mba tsy hankahala azy ireo ankitsirano, fa kosa mbola sarotra aminy ny manaiky ny fisian'izany ary mihevitra ny homosexualité ho aretina na fahasamponana foana, izay tsy marina velively.

Manoratra ity lahatsoratra ity aho mba hilazako etoana fa olona mitovy amin'olona rehetra ihany ny homosexuels, samy manana ny toetrany, samy manana ny fananany, fa mitovy zo tanteraka amin'ny mpiara-monina tsirairay. Mbola betsaka loatra ny resaka heno hoe voahilikilika tany amin'ny biraom-panjakana ranona satria lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy. Misy koa ny tsy voatsabo ara-dalàna satria mahatsiravina an'izato dokotera nanao Serment d'Hippocrate izato ny mitsabo homosexuel sao mifindra hono ilay aretina. Havendranana tsy roa aman-tany no ieritreretako an'izany fihetsika izany. Tsy azo atao ny manilikilika ny homosexuels. 

Tahaka ny tsy nananan'ny vehivavy zo tamin'izany fotoan'andro taloha (ary amin'izao fotoana izao koa amin'ny faritra maro) no tsy ahafahan'ny homosexuels miaina tsara eo anivon'ny fiaraha-monina. Ekenareo ngamba fa sarotra izany mitia olona miafinkafina izany kanefa dia izany no manjo ny homosexuels eto Madagasikara. Soa ary eto fa tsy misy mpamono tahaka ny any Burundi sy Cameroun. 

Izaho mpanoratra eto dia miombon-kevitra amin'ireo rehetra miady ho an'ny fiarovana ny zon'ny homosexuels satria efa neken'ny fiombonan-be iraisam-pirenena ao anaty Déclaration Universelle des Droits de l'Homme fa mitovy avokoa ny olon-drehetra. 

Ary raha ny zanakao no homosexuel dia ahoana kay ?


Injay ilay fanontaniana hahafantarana fa manaja na tsia ny homosexuels ny olona iray. Maro ny mi-tolérer ny fisian'ny homosexuels fa rehefa ny zanany no manambara ny maha-izy azy dia terena miaraka amin'ny vehivavy (raha lehilahy) na lehilahy (raha vehivavy) satria hono mila sitranina na anarina. Efa tsy fanajana tanteraka ny zo maha-izy azy izany satria dia hijaly mandra-pahafatiny ilay zanaka. Eritrereto fa ny olona iray homosexuel terena hanambady ho lasa hétérosexuel dia sady mijaly no mampijaly vady. Na lasa mampirafy hitady ny tena tiany izy na ho kivy amin'ny fiainana ao anaty tontolo andro tsy misy fitiavana. 

Izaho dia hétérosexuels ary efa manan-janaka roa. Raha ny zanako no milaza ahy fa homosexuel, dia ekeko amin'ny foko manontolo satria izay no haha-sambatra azy. Raha hétérosexuel moa izy dia ekeko tahaka izany ihany koa. Ary raha mampijaly an-janako ny fiaraha-monina raha homosexuel izy dia hiady mafy noho izao aho. 

Aza tery saina intsony ry zareo ary aza manilikilika ny tsy mitovy aminareo fa mijaly ny olona.