12 janv. 2015

Taratasy misokatra ho an'ny mpanao gazety Malagasy : mba hajao ny asan'ny mpaka sary !

Eto am-panoratana ity lahatsoratra ity izaho dia mahatsapa fa misy ny mpanao gazety Malagasy no tsy manaja ny asan'ireo mpaka sary maro misy eto amin'ny firenena. Androany maraina tokoa mantsy no nahitako teo am-pamakiana lahatsoratra iray tao amin'ny site web anisan'ny be mpamaky indrindra ny sary izay nalaiko ary nozaraiko teo amin'ny tambajotra Facebook mba hizarako ny zava-misy eto amin'ny firenena. Tsy nanambara aho na nilaza hoe malalaka ny fampiasana sary fa dia tsy nangataka alalana akory izato mpanao gazety nampiasa ny sariko. Raha ny tokony ho izy dia vidiam-bola ireny sary ireny vao azo ampiasaina satria nisasarana, na mpikarama na mpaka sary "passionné" no naka azy.

Tsy voalohany izao tranga izao no niseha fa tamin'ity indray mitoraka ity izaho tratra ka tsy hahay ny tsy hiloa-bava. Tsy fanajana ny atao hoe "droits d'auteur" ny fakana sary tsy an-kiera raha tsy ambara mazava eo amin'ilay sary hoe Licence Creative Commons ilay izy. Maika moa fa filigrané ilay izy (eo ambany havia), ka asa inona no eritreritr'ity mpanoratra no dia mijapy fotsiny amin'izao ny asan'olona. Asa ireo sary hafa eo raha mba nierana na akory.

Satria tia maka sary ny tenako ary mahafantatra ny fahasahiranana amin'ny fanatanterahana sary iray monja no ilazako izao : Ry mpanao gazety, raha hampiasa sarin'olona ianareo, na hitanareo teo amin'ny Facebook io na Twitter na site web hafa dia mierà fa manimbazimba ny asan'olona ka toy ny mangalatra ianareo raha tsy manao izany. Mety tsy ho fantatrareo fa misy vidiny mazava io sary io ka dokam-barotra no atao eo amin'ny Facebook na zara vaovao. Raha tsy mahavidy ianareo na tsy mahavita miera dia mivoaha ny birao dia makà sary. 

Izaho mino fa manaiky ny zavatra ambarako eto avokoa ireo mpaka sary namana na mitihanina na tsy mikarama. Satria misy ny droits d'auteurs hanajana ny zonay dia tokony horaisina an-tsaina izany fa tsy itsakitsahina. Zaraina ity lahatsoratra ity hanentanana ireo mpanao gazety tsy mahay ny asany.

N.B. : Ho antsika mpaka sary nangalarina sary dia azo atao ny mitory ahafahana mangataka ny vidin'ny sary