28 juin 2016

Fitarainana manokana amin’ny haratsin’ny kalitaon’ny Blueline

Raha efa fantatra hatrizay fa tsy eto Madagasikara no ahitana ny tambajotra aterineto (Internet) tsara indrindra dia tsikaritra tato ho ato fa dia miharatsy ny kalitaon’ny fifandraisana, hany ka tsy ahavitana na ny manokatra ireo sites mahazatra indrindra ary (Facebook, Wikipedia, Gmail…). Ambara etoana anefa fa dia efaina isam-bolana ny sarany izay lafo dia lafo, mihoatra oharina amin’ny any Eoropa. Izaho miresaka aminao io dia mpanjifa ny tambajotra Blueline amin’ny alalan’ny 4G.

Rehefa antsoiko ny teknisianina dia asainy afindra foana ilay routeur fa hoe ny toerany hono mametraka olana. Raha izany tokoa, nahoana rehefa mandeha ilay izy dia tena misosa tokoa ary ahavitana mamaky rakitsary YouTube tsy ankihato. Avy eo rehefa ambara fa eto Andravoahangy amin’ny rihana faharoa tsy misy sakantsakana no misy ny trano dia milaza indray ry zareo fa mila fafaina ny cookies sy ny cache. Ataoko hoe raha ny solosaina ampiasaiko izay sady Core i5 no kapila mafy (disque dur) SSD no miasa, tsy any mihitsy no olana. Avy eo indray dia ambaran-dry zareo fa misy interference hono, na fifangaroan’ny onjam-pifandraizana, nefa tsy misy relais na Wifi na zavatra hafa mety hanelingelina eto amin’ny manodidina.

Rehefa zohiana avokoa ny antony rehetra dia tsy hita izay mety hampikatso ny aterineto jifain’ny Blueline. Ny mifanohitra amin’izay nefa no mitranga fa dia tapatapaka lava tsy ahavitana mi-surfe ny fifandraisana (connexion). Ary ny tena mahagaga dia isaky ny avy miantso teknisianina dia mihatsara avy hatrany ny kalitao. Ataoko izany fa tsy ireo antony nolazaina fa mahatonga fahatapahana no tena izy. Raha olona tsy mahay ny bi sy ny ba amin’ny resaka teknika aloha dia arirariran-dry zareo teknisianina ao amin’ny Blueline. Izaho efa manam-pahalalàna mikasika io ary mbola ataony fanina tanteraka.

Raha ny toeran’ny modem no olana, dia ahoana izany ireo olona mipetraka eny amin’ny manodidina an’Antananarivo. Izaho eto afovoany eto ary tsy mahazo réseau akory nefa misy relais manodidina ahy (Antanimena, Betongolo izao no fantatro). Na ny tambajotra no ratsy, na ny fitaovana omen-dry zareo no tsy mamely velively. Fa na inona antony dia somary miharo fitaka ny dokambarotr’I Blueline satria ambarany fa “illimité”, tsy misy fetra ny fifandraisana aterineto atolotr'izy ireo eto Antananarivo. Raha izay fahatapahana izay dia voafetra tanteraka ny fahafahana mampiasa ny aterineto. Ny mahagaga dia rehefa tena sokirina ny antony any amin-dry zareo teknisianina dia manambara ihany izy ireo amin’ny farany fa misy “olana kely” any amin-dry zareo.

Kivy tanteraka ny tenako mampiasa io Blueline io (izay amin’ny anaran’ny sakaizako) ary dia manambara izany ampahibemaso. Avoitra eto anefa fa tsy fanakiviana ny mety ho mpividy izany fa fitarainana fotsiny. Tsy azoko atao eto Madagasikara ny manakivy ny mpanjifa satria mampigadra hono izany raha ny fandrahonana nataon'ny sasany, hany ka ny mimenomenona sisa no azo atao. Vidio ka zahao hoy ny fitenenana. Anao no anjaram-pandinihina avy eo.


Ho anareo mpiasan’ny Blueline mety hamaky ity lahatsoratra ity, asa na ianareo no tsy mahay miasa na ny tambajotra no efa tena tsentsina fa mba tsinjovy re ireo mpanjifa miantoka ny karamanareo. Tazomy mba ho tsara ny kalitao fa raha maro izahay no miala dia ianareo no ho very asa. Ny fahafaham-barakanareo moa izany tsy tenenina intsony satria toa tsy rahirahianareo. Aleo atao vaky bantsilana eto ny tsy fahombiazanareo. Ary raha manana eritreritra ny hitory ahy ianareo dia tena mba mieritrereta. Mpanjifa mitaraina ny tenako fa tsy mpangalatra na mpamono olona.