Mila fitaratra !

Matahotra dia matahotra aho zany retsy !
Tsy misy fitaratra tokoa moa letsy !
Toa zary miandry fotsiny ny ho faty ato an-tanàna !
Amin'izato trano tanterakin'ny baraminin'ny ny tsy valahara !


Tsy sahy mivoaka aho ry zareo !
Tsy voaaron'ny fitaratra be arantin'izy ireo !
Any ho any hono toa misy be basy sy be antsy !
Hilaiso izay mba ariary zato kely nahatera-tsemboka tatsy !


Raha mba nana-pitaratra aho mantsy ! 
Entiko mba mandehandeha mankany sy mankatsy !
Dia mba tsy ho laitran'ireo malaso tsy misy antra ! 
Izay tsy mba hitan-dry zalahy miafina any anaty lapa !


Ombay mitady ry reto ny filaminan-tsaiko !
Mba hanohizako milamina izato fiainako mahantra !
Mba ento any amin'izy ireo izato hafatro ! 
Mba izarao fitaratra koa hono izy hoe. 



BRISTOL RASSAM