5 janv. 2021

Bisikleta tsy azo ampiakarina eny an-tafon'ny taxi-brousse : mba noheverina ve ny fanapahan-kevitra ?


Namoaka fanapahan-kevitra ny ATT (Agence des transports terrestres) izay misahana ny fifamoivoizana an-tanety eto Madagasikara ny faran'ny taona 2020 teo fa tsy azon'ny taxi-brousses intsony ny mitatitra balle-na fripy, fanaka mavesatra... Tafiditra ao anatin'ny entana tsy azo tanterina ihany koa ny bisikleta ary lasa mametra-panontaniana maro dia maro.


Famerana enti-mampihena ny lozam-pifamoivoizana


Raha noraisina ny famerana ny entana azo tanterin'ny taxi-brousses eny an-tafon'ny taxi-broussse dia eritreretin'ny maro fa ho famerana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny taingim-be. Hita foana ireo taonina maro miakatra eny ambony tafo izay mitarika fivadihan'ny fiara ao anaty fiolanana. Balle-na fripy iray fotsiny no mahatratra 50 kg nefa matetika dia efa ho am-polony maro no tanterin'ny fiara mifamezivezy. Ekena izany ary rariny satria natao ho fitanterana olona nt taxi-brousse fa tsy natokana ho an'ny entana.

Tsy azonay mpivoy tongomalady hoe maninona no norarana koa ny bisikleta

Ny tsy mazava ary mampisomaritaka amin'ity fanapahan-kevitry ny ATT ity dia ny fandrarana ny fitanterana bisikleta eny ambony tafo. Moa ve mampidi-doza koa ny lanjan'izy ireo ? 18 kilao raha be indrindra ny bisikleta iray. Ny entan'ny mpandeha nefa voafetra ho 25 kilao isan'olona eny anivon'ny kôôperativa miasa eto amin'ny tany sy ny firenena. Raha mifatotra tsara ny kinaka araka izany dia tsy mampidi-doza velively satria tsy manavesatra ny fiara mihoatra ny fetra. 

Ilaina isan'andro ny mitatitra bisikleta eny amin'ny taxi-brousse

Asa ilay tompon'andraikitra naka ny fepetra fandrarana fitanterana bisikleta na mba efa nampiasa io fitaterana io ? Rehefa tonga ny sampona dia tsy maintsy miakatra an-tafo ny bisikleta raha manantena hamonjy fodiana. Ao koa ireo olona mivezivezy avy eny ambanivohitra hivarotra ny entany ety an-tanàna. Bisikleta no hamonjeny ny fiantsonan'ny taxi-brousse. Rehefa tonga kosa izy dia bisikleta no entiny manatitra ny enta-barony eny amin'ny mpanjinjara tsirairay. Iny bisikleta iny ihany no entiny modu avy eo amin'y fiantsonana mankany amin'ny ankohonany. 

Sarotra ny handeha bisikleta tsy an-kijanona. Raha mipetraka any Moramanga ve ny tenako ka hiasa aty Manjakandriana dia tsy maintsy handeha bisikleta miakatra an'ny Mandraka ? Ny sakafo arapaka efa tsy ampy, ny fotoana tsitsiana ka ilay fitanterana mampitohy ny tanàna anankiroa natao tamin'ny taxi-brousse taloha zany dia hanao ahoana ? Tapaka sotro fihinanana eto ny mpikarama miankina amin'ny tongomaladiny. 

Mba ataovy am-piheverana re tompoko ny fandraisana fanapahan-kevitra


Tsy mihevitra ny tompon'andraikitra ho vendrana akory izahay mpampiasa bisikleta, fa tena hita kosa hoe tsy nisy fiheverana ilay fandrarana bisikleta hiakatra eny an-tafon'ny taxi-brousse. Fanamafisana ny fatotra no azonareo angatahina, fa raha ny fandrarana kosa tena tsy mety. Tadiavinareo handeha bisikleta Antananarivo-Mahajanga ohatra ary ve izany ireo mpivarotra maro maka entana eto an-drenivohitra ka mitsinjara izany any amin'ny faritra ?

Ny mpivarotra avy eny Ankazondandy ve dia tsy mba afaka hitondra ny bisikletany hatreo Ambohitrarahaba na Sabotsy Namehana ahafahany mamatsy ny mpandray ny entany ? Aleo eritreretina lalina. Tsy mahamenatra ny miverina amin'ny fanapahan-kevitra iray raha manatsara zavatra izany. Mariky ny fahendrena izany. 

Ry Fanjakana ô ! Ilaina ny fiarovana ny aim-bahoaka, fa ny fampijaliana amin'ny tsy antony kosa tsy azo ekena. Fampijaliana vahoaka ny fandrarana ny fitanterana bisikleta amin'ny taxi-brousse. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire