25 janv. 2021

Ny toeran'ny tsipelina eo amin'ny seraseran'ny orinasa


Efa mihamaro ireo orinasa madinika sy ireo mpiasa tena no mampiroborobo ny varotra sy asa sahaniny amin’ny alalan’ny serasera. Mety ho famoahana dokam-barotra izany an-gazety izany, mety ho fanotana peta-drindrina, fa ny tena fitaovana fampiasan’olona ankehitriny dia ny tambazotra sôsialy.

N’inoninona ny endrika isehoan’ny serasera dia ilaina foana ny manoratra. Tsikaritra etoana anefa fa dia mihavitsy hatrany ireo matihanina no tsy mivaky loha intsony ny fitsipika sy ny tsipelina mifehy ny teny, na Malagasy ion a vahiny. Lazaina fotsiny fa azon’olona foana izay tiana ambara rehefa voasoratra fotsiny. Ny fampiasana finday koa moa etsy andaniny nanafaingana ny fiovan’endriky ny fehezan-teny sy lahatsoratra mivoaka etsy sy ery. Tsy vitsy ny publication toy ny manaraka izao : 

Ho anw mtady ftôvana sad tsotr n matez.

Az mandeh lavtr tsun enw fa aty amnay mis

Sahirana ihany am-boalohany ny mamaky azy fa toa zatra ny maso amin'ny farany ary azo eny ihany ny hevitra tiana havoitra. Eto no mipetraka ny fanontaniana hoe tafita foana ve ny hevitra na feno tsipelina diso ny dokam-barotra atao ? Inona ny toeran’ny tsipelina eo amin’ny fandairan’ny havatra ampitaina ?

 Fanajàna tsipelina : fanomezam-boninahitra ny mpanjifa

Maro ny olona no mieritreritra fa tsy misy fiantraikany firy ny tsipelina diso hita ao anaty dokam-barotra iray. Diso tanteraka nefa izany satria iny no itsaran’ny mpanjifa voalohany ny fahaiza-misan’olona na orinasa iray. Teny diso tsy mba kabary iray na roa mety azo leferina ihany, fa ny fahadisoana mirarakopana kosa dia miendrika tsy firaharahiana. Matoa izy izay tsy miraharaha izay voasoratra dia tsy miraharaha ny mpanjifa ihany koa izay. Na minitra vitsy monja ary dia mila fotoana tokoa ny fanamarinana izay ho zaraina. Tsara fomba fiasa ny olona sy orinasa mahavita manamarina ny tsipelin’ny lahatsoratra avoakany. Tsy io ihany akory no mariky ny kalitao, fa singa iray anatin’ny maro entina hitsara ny asa izany.

Raha ny salan’isa tsotsotra azo avoaka tami’ny fandinihana posts teo amin’ny Facebook dia toy izao manaraka izao. Marihana fa vondrona fivarotan’entana eto Madagasikara (tsy hotononina anarana) no nanaovana fanadihadiana.

 Amin’ny posts 100 nodinihina :

 

  • 38 isa manaja fitsipi-pitenenana,
  • 40 isa misy diso kely,
  • 22 isa tena feno diso na tsy manaja mihitsy ny firafitry ny teny ampiasaina (Malagasy na frantsay)

Fanajàna tsipelina : mariky ny maha-matihanina ny orinasa na mpiasa tena iray

Ny orinasa na mpiasa tena iray izay mahafoy fotoana mba hanamarinana ny tsipelin’ny dokam-barotra sy fifandraisana an-tsoratra ataony dia mampiseho mazava fa matihanina. Mahavita mamoy fotoana vitsy na maro mandrindra ny serasera. Mila marihana eto tokoa mantsy fa endrika serasera manokana ny raki-tsoratry ny orinasa iray. Azo ampitahaina tsara amin’ny lokon-drindrina sy ny raki-tsary entina hisarihana mpanjifa ihany izy io.

Aza mitsitsy fotoana mandinika sy manamarina izay zava-drehetra hosoratanao eny amin’ny Facebook, Instagram, Pinterest, LinkedIn sy ireo tambazotra maro tsy voatanisa. Mandania fotoana mamerina mamaky ireo takila ao anatin’ny bokikely ara-barotra izay atontanao. Toy izay ihany koa rehefa manome raki-tsoratra zaraiza amin’ny mpanao gazety ao aorian’ny valan-dresaka.

Ny fanajàna tsipelina dia anisan’ny hetsika serasera mora indrindra noho ny tanjakin’ny tambazotra sôsialy ankehitriny. Rahatoa ka misy manahirana anao, aza misalasala manontany hevitra amin’ireo misehatra manokana eo amin’io tontolo io mba hanitsy sy hanatsara ny tolotra zarainao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire