22 nov. 2020

llaina ve ny serasera ho an'ny orinasa madinika ?

 

Efa mihabetsaka ireo orinasa madinika ankehitriny no manomboka miroso amin’ny resaky ny serasera sy ny dokambarotra mba entina hampiroborobo ny tsenan’izy ireo. Fa raha atao ny salanisa dia mbola tena vitsy ny manokana fotoana, herin-tsaina sy vola amin’izany sehatra izany. Izay indrindra no mahatonga antsika mametraka fanontaniana hoe ilaina marina ve ny serasera ho an’ny orinasa madinika ?

 Inona marina moa no antsoina hoe serasera ?

 Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny serasera dia voafetra eo amin’ny dokam-barotra mandeha an-gazety, eny amin’ny fahitalavitra sy amin’ny alalan’ny vata fandraisam-peo. Ho an’ireo afa-mampiasa ny tambazotra aterineto dia sokajiany ho serasera ihany koa ireo dokam-barotra mandeha eny amin’ny pejy maro samihafa sy ny tambazotra socialy (Facebook, Instagram, Pinterest…).

 Tsy ireo voatanisa eo ambony eo irery ihany anefa ny atao hoe serasera. Tsy mifantoka amin’ny dokam-barotra irery ihany ny fampitana hafatra.

 Raha fintinina tsotra, ny atao hoe serasera dia ireo fomba sy fitaovana rehetra enti-mifandray sy mampita hafatra amin’ireo olona rehetra akaiky ny orinasa. Voakasiky ny serasera avokoa n any mpividy, nan ny mpamatsy akora, eny n any mpiasa tantanana ihany koa.

 Ny antom-pisian’ny serasera dia ny hampirindra ny zavatra ambara, ny endrika aseho, amin’ny tanjona ara-barotra. Ohatra tsotra : rahatoa ka mieritreritra ny hampitombo ny entana ajifa nefa mikitakita ireo mpividy, dia ho zava-poana ny varotra atao.

 Ilaina ny mampirindra ny endrika ivelany sy ny fitantanana anatiny.

 Araka izany, ilaina ve ny serasera eo amin’ny orinasa madinika ?

 Tonga dia amin’ny teny tokana no amaliana ny fanontaniana : ENY.

 Ilaina tokoa ny serasera eo amin’ny orinasa madinika. Tsy azo idovirana intsony ary izany ankehitriny raha manan-keritreritra hivoatra. Haka ohatra iray isika entina hampisehoana ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana sy ny fifaneraserana.

Mpivarotra mofogasy no entintsika hanehoana ny asan’ny serasera eo amin’ny fampiroboroboana varotra.

 Hanangana fivarotana mofogasy sy ramanonaka ingahy Rakoto sy ramatoa Rasoa. Efa maromaro ny varotra mitovy aminy no miorina eo an-tanàna, fa tsy nanakana azy roa anefa izany. NAndroso ny andro, nandroso ny herinandro, fa tsy dia nisy firy ireo mpanjifa. Lasa saina izy roa ka nieritretitra fomba hahazoana olona :

 -          Voalohany : nanantona ireo mpandalo izy ireo ary niteny hoe “Indro etsy misy mofogasy matsiro raha mba hanandrana.” Vitsivitsy ireo nanantona.

-          Faharoa : sady nitondra santionany izy ireo no niantso mpandalo. Nihamaro ireo mpanjifa sodoka ka niditra teo am’pivarotana.

-          Fahatelo : nanao sora-baventy tamin’ny taratasy izy ireo milaza hoe “Mofogasy matsiro, tsy mena-mitaha”. Na ireo mpandalo tsy voasariky ny fanantonana ary dia tonga nanandrana.

-          Fahaefatra : Noho ny nahazo tombony kely ireo mpanao mofogasy dia nanokana fola entina nandokoana ny lafin-trano ivelany ho marevaka kokoa.

-          Fahadimy : Nisafidy ny hanisy anarana ny toeram-pivarotany ireo tompon-tsena mba hiavahana sy mora hitadidiana azy ireo.

-         

Nandritra izany rehetra izany, nisafidy izy roa htantanan ny tsenany am-pitsikiana sy am-panajana mba hambabo ny fon’ny mpividy.

 Azo tohizana lavabe ny tantàra, fa etoana dia efa tsapa fa ny serasera izay ketrehina dia misy voka-tsoa eo amin’ny habetsaky ny vokatra lafo sy ny fidiram-bola. Azo ampiharina eo amin’ny seha-barotra rehetra ny fanatsarana ny serasera eo amin’ny orinasa madinika.

 Ezahintsika ampafahantarina eto amin’ity blaogy ity tsikelikely ireo endriny maro isehoan’ny serasera sy ny dokam-barotra. 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire