Ny toeran'ny tsipelina eo amin'ny seraseran'ny orinasa
Efa mihamaro ireo orinasa madinika sy ireo mpiasa tena no mampiroborobo ny varotra sy asa sahaniny amin’ny alalan’ny serasera. Mety ho famoahana dokam-barotra izany an-gazety izany, mety ho fanotana peta-drindrina, fa ny tena fitaovana fampiasan’olona ankehitriny dia ny tambazotra sôsialy. N’inoninona ny endrika isehoan’ny serasera dia ilaina foana ny manoratra. Tsikaritra etoana anefa fa dia mihavitsy hatrany ireo matihanina no tsy mivaky loha intsony ny fitsipika sy ny tsipelina mifehy ny teny, na Malagasy ion a vahiny. Lazaina fotsiny fa azon’olona foana izay tiana ambara rehefa voasoratra fotsiny. Ny fampiasana finday koa moa etsy andaniny nanafaingana ny fiovan’endriky ny fehezan-teny sy lahatsoratra mivoaka etsy sy ery. Tsy vitsy ny publication toy ny manaraka izao : Ho anw mtady ftôvana sad tsotr n matez. Az mandeh lavtr tsun enw fa aty amnay mis Sahirana ihany am-boalohany ny mamaky azy fa toa zatra ny maso amin'ny farany ary azo eny ihany ny hevitra tiana havoitra. E...