llaina ve ny serasera ho an'ny orinasa madinika ?
Efa mihabetsaka ireo orinasa madinika ankehitriny no manomboka miroso amin’ny resaky ny serasera sy ny dokambarotra mba entina hampiroborobo ny tsenan’izy ireo. Fa raha atao ny salanisa dia mbola tena vitsy ny manokana fotoana, herin-tsaina sy vola amin’izany sehatra izany. Izay indrindra no mahatonga antsika mametraka fanontaniana hoe ilaina marina ve ny serasera ho an’ny orinasa madinika ? Inona marina moa no antsoina hoe serasera ? Ho an’ny ankamaroan’ny olona, ny serasera dia voafetra eo amin’ny dokam-barotra mandeha an-gazety, eny amin’ny fahitalavitra sy amin’ny alalan’ny vata fandraisam-peo. Ho an’ireo afa-mampiasa ny tambazotra aterineto dia sokajiany ho serasera ihany koa ireo dokam-barotra mandeha eny amin’ny pejy maro samihafa sy ny tambazotra socialy (Facebook, Instagram, Pinterest…). Tsy ireo voatanisa eo ambony eo irery ihany anefa ny atao hoe serasera. Tsy mifantoka amin’ny dokam-barotra irery ihany ny fampitana hafatra. Raha fintini...